<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>205</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ny teninao rehetra,
 Ry Tompo tia anay !
 No tsy mba manam-petra,
 Fa tò mandrakizay ;
 Ho levona avokoa
 Izao rehetra izao,
 Haharitra tokoa
 Izao teninao izao.

[V2]
 Ny tenin'ny Baiboly
 No sambatra entinay
 Handresy ny devoly,
 Ilay fahavalonay ;
 Raha misy mampahory,
 Ka osa izahay,
 Ny teninao mahery
 Manjary tanjakay.

[V3]
 Fa teny mamy koa
 Ho an'ny mpakatò
 Ka loharano soa
 Miboika ao am-po,
 Ho fanomezan-toky
 Ny azon'ny manjo,
 Sy hani-mahavoky
 Mamelona ny fo.

[V4]
 Fa teny mampisava
 Ny aizim-be atý,
 Fanilo manazava
 Ny dia ho arý ;
 Manolo-pahendrena,
 Mananatra ny fo,
 Milaza famonjena
 Sy lova tsy ho lo.</lyrics>
<title>Ny Teninao rehetra FFPM205</title>
<author>S.S. Wesley</author>
</song>